Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra…

Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako ?, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Eny ", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : tena marina Aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony

Tatitra azo avy amin'i Jàbir (R.D) nanao hoe : Nisy lehilahy iray nanontany an' ilay iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A), ka niteny Izy manao hoe : " Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako ?, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Eny ", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : tena marina Aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa izay manatanteraka ireo fanompoam-pivavahana dimy izay voadidy Aminy, ary tsy nanampy ankoatr'izany amin'ireo Soalat sounnat, ary nifehy amin'ny volana Ramadany ka tsy nanampy ireo fifadiankanina an-tsitrapo, Mino ny maha mety sy Halal ny zavatra iray ka notanterahiny antsakany sy andavany, ary mino fa voarara ny zavatra iray ka nalaviriny, ka izay Olona manana izany fotokevitra izany dia hiditra ao amin'ny Paradisa.

فوائد الحديث

Ny Mpino Islamo dia mifantoka mandrakariva amin'ny fanaovana ny adidy izay tsy maintsy atao ary miala amin'ireo zavatra rehetra voarara, ary ny hiditra ao amin'ny Paradisa mihitsy no tena tanjony.

Ny mahazava-dehibe ny fanaovana ireo zavatra rehetra izay voalaza fa azo atao (Halal) ary finoana azy sy fanekena amin'ny fomba madio fa tena azo atao tokoa izany, sy ny fandrarana ireo zavatra rehetra izay efa voarara fa (Haram) sy ny finoanao amin'ny endrika feno fanekena ny mahavoarara azy izany.

Ny fanaovana sy fanatanterana ireo didy tsy maintsy atao sy ny famelana ireo zavatra rehetra voarara dia anisany antony iray hidirana ao amin'ny Paradisa.