إعدادات العرض
Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?
Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.D), fa Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?", Namaly Izahay hoe : Eny, Dia Niteny Izy nanao hoe : " Ny andininy telo izay vakin'iray Aminareo ao anatin'ny fivavahana Soalat dia tsara lavitra mihoatra ny Rameva lehibe sy matavy ".
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Kurdî Moore Soomaali Wolof Français Oromoo Tagalog Українська Azərbaycan தமிழ் bm Deutsch ქართული Português mk Magyarالشرح
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny valisoa azo avy amin'ny famakina ny andininy Telo ao anatin'ny fivavahana Soalat; dia tsara lavitra mihoatra ny fahazoan'Olona Rameva lehibe matavy no sady mitondra vohoka ao an-tranony,فوائد الحديث
Fanazavana ny fahasoavana manoloana ny famakiana ny Boky masina KOROANY mandritra ny vavaka Soalat.
Ny Asa soa dia tsara sy maharitra kokoa noho ny fananana harena lehibe eto an-tany izay mbola ho rava.
Izany fahasoavana izany dia noferana ho amin'ny famakiana andininy Telo ihany; fa rehefa mitombo ny famakian'ny Mpivavaka iray ao anatin'ny fivavahana izay ataony dia mitombo ihany koa ny valisoany amin'ny isan'ny Rameva.
التصنيفات
Vkatsoan'ny Coran masina