إعدادات العرض
“ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”
“ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka manao hoe : “ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”.
[Tsara] [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad]
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Kurdî Wolof Moore Soomaali Français Oromoo Tagalog Українська Azərbaycan தமிழ் Deutsch bm ქართული Português Македонски Magyar Русский 中文 فارسیالشرح
Nilaza sy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa holazaina amin'ny Mpamaky ny Boky masina Koroany, sy ny Mpampihatra izay rehetra voalaza ao anatiny, ny tsy hitsaharany eo amin'ny famakina ny Boky masina Koroany sy fanaovana tsianjery Azy rehefa miditra ny Paradisa : Vakio ny Boky masina Koroany, ary miakara amin'ny ambaratonga ao amin'ny Paradisa Ianao, ary Vakio miadana tsara am-pitoniana, fa ny toerana hametrahana Anao dia eo amin'ny toerana farany izay Vakinao ao amin'ny Boky masina Koroany.فوائد الحديث
Ny valisoa dia miankina amin'ny habetsahan'ny Asa sy ny Kalitaony.
Famporisihana ny hamaky ny Boky masina KOROANY, hifehy Azy, hanao tsianjery, hisaintsaina izay rehetra voalaza ary hampihatra izay rehetra voarakitra ao.
Ny Paradisa dia misy rihana maro sy ambaratonga, fa Olon'ny Boky masina Koroany dia hahazo ny ambaratonga avo indrindra.