إعدادات العرض
Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny…
Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny fahasoavanao aho
Tatitra azo avy tamin'i Abi Homaidi na Abi Osaidi niteny nilaza izy : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny fahasoavanao aho."
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം తెలుగు Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Soomaali Shqip Српски Українська Wolof Tagalog Moore தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nanoro hevitra ny vahoakany ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny Doan izay tenenina rehefa miditra ao amin'ny moske : (Allah ô! Sokafy ho ahy ny varavaran'ny famindram-ponao), ka mangataka amin'Allah Tsitoha izy mba hanomana ho azy ny atom-pisian'ny famindram-pony, ary raha te-hiala izy, dia aoka hiteny izy hoe : (Allah ô! Mangataka aminao aho ny amin’ny fahatsaranao), ka mangataka amin’Allah ny hatsarany sy ny fitomboan'ny fanomezana tsara madio avy aminy.فوائد الحديث
Amporisihina ny manao izany Doan izany rehefa miditra sy mivoaka ny moske.
Natokana ho amin'ny fidirana ny fanononana ny famindram-po, ary ny hatsarana ho amin'ny fivoahana : raha ny tena izy dia ilay miditra dia ho variana amin'izay zavatra hanakaikaizany kokoa an'Allah sy ny Paradisany, ka mendrika ho azy ny manonona ilay famindram-po, ka rehefa mivoaka izy dia miezaka mafy eto an-tany mitady ny fanomezan’Allah ny fivelomana, ka mifanaraka amin'ny fanononany ny soa.
Ireo tonombavaka ireo dia lazaina rehefa miditra ao amin'ny moske sy rehefa mivoaka avy ao aminy.