Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio

Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio

Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino (R.A) niteny manao hoe : Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) dia nihevitra fa ny ady masina amin'ny làlan'Allah sy ny ady ato amin'ny fahavalo no asa tsara indrindra. Koa nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Aisha (R.A) mba hanao ady masina? Dia nanoro làlana azy ireo i Mpaminany (S.A.W) fa ny ady masina tsara indrindra amin'ireo vehivavy dia ny Hajj madio izay mifanaraka amin'ny boky masina sy ny sonna, tsy nisy fahotana sy fireharehana.

فوائد الحديث

Ny ady masina dia iray amin'ireo asa tsara indrindra ho an'ny lehilahy.

Ny Hajj ho an'ny vehivavy dia tsara kokoa noho ny ady masina, ary iray amin'ireo asa tsara indrindra ho azy ireo izany.

Miovaova arakaraka ny mpanao azy ny asa ny valisoan'ny fanompoana.

Ny Hajj dia nantsoina hoe ady masina; Satria io dia ady ho an'ny fanahy, ary manao sorona amin'ny vola, tanjaka ho an'ny vatana, noho izany ny Hajj dia fanompoana ara-batana sy ara-bola toy ny ady masina amin'ny làlan'Allah.

التصنيفات

Ny tombotsoan'ny Hajj sy ny Oumra