Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat

Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat

Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nandidy ireo mpivavaka ny Mpaminany (S.A.W) mba hanitsy ny filaharan’izy ireo, ary tsy hialoha na hihemotra, ary ny fanitsiana azy ireo dia anisan’ny mahatomombana ny Swalat sy ny fahalavorariany, ary ny tsy fahitsian'ny filaharana kosa dia fahadisoana na tsy fahampiana ao aminy.

فوائد الحديث

Ny maha-ara-dalàna ny fikarakarana izay rehetra mameno ny Swalat sy manalavitra ny tsy fahampiana.

Ny fahendren'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampianarana, rehefa nampifandray ny didy tamin'ny antony, mba hanazava ny fahendren'ny lalàna, ary hamporisika ny olona hanaraka izany.

التصنيفات

Ireo didy momba ny mpitarika sy ireo mpanaraka, Ny lalàna mamehy ny mosquée