إعدادات العرض
Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina
Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina
Tatitra azo avy amin'i Abo Omama niteny izy : Nitantara tamiko i Amro bin Abasa (R.A) nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) izy niteny manao hoe : "Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français Tiếng Việt සිංහල Hausa Kurdî Kiswahili Português தமிழ் Русский አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली ไทย മലയാളം Svenska Кыргызча Română ಕನ್ನಡ Српски తెలుగుالشرح
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fotoana maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia ao amin'ny ampahatelon'ny alina farany. Ka raha nohamevanina amin'izany ianao – ry mpino – sy afaka ho isan’ireo mpanao fanompoana, mpivavaka, mpahatsiaro ary mpibebaka amin’io fotoana io, dia zavatra tokony hararaotina izany sy hanaovana ezaka.فوائد الحديث
Mamporisika ny mpino silamo mba hanao Zikr amin'ny faran'ny alina.
Tsy mitovy lanjan'ny samy fotoana hoentina hanaovana zikr sy hataka ary ny vavaka.
Nilaza i Mirk : Momba ny maha-samihafa ny teniny hoe : “Ny fotoana maha akaiky ny Tompo amin’ny mpanompo” sy ny teniny hoe : “Ny maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompony dia rehefa izy miankohoka” : Ny tiana ho lazaina eto dia ny fanazavana ny fotoana maha akaiky kokoa ny Tompo amin’ny mpanompo, dia ny matonalina, ary ny tiana ho lazaina ery dia ny fanazavana ny toetoetra maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompo, dia izy eo am-piankohofana.