“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana

“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".

[Mari-pototra] [Notantarain'i Ahmad]

الشرح

Nangataka tamin'ny Tompony i Mpaminany (saw)mba tsy hanao ny fasany ho toy ny sampy ivavahan’ny Olona noho ny fanajana Azy sy ny fandraisana izany amin’ny fiankohofana. َAry nabaran'ny Mpaminany (saw) fa izay nakalavirin'i Tompo Allah sy navokany teo ambany famindram-pony izay Olona nadray ny fasan'ireo Mpaminany ho fivavahana. Satria ny fandraisana azy ireo ho tranom_pivavahana dia antony iray manosika Anao hivavaka Aminy sy hino ary hientehitra amin'izany.

فوائد الحديث

Ny fihoaram-pefy amin'ny ara-dalàna eo amin’ny fasan’ny Mpaminany sy ny Olo-marina no mahatonga azy ireo hivavahana fa tsy i Tompo Allah, ka tokony hitandrina amin’ny fomba mitondra amin'ny fanompoan-tsampy ny tsirairay .

Tsy azo atao ny mandeha any am-pasana mba hanomezam-boninahitra azy ireo sy hivavaka any, na dia akaiky an’Andriamanitra ilay avo Tsitoha aza ny Tompony.

Fandrarana ny fanorenana ny tranom_pivavahana any am-pasana.

Fandrarana ny fanaovana fanompom-pivavahana eny amin’ny fasana na dia tsy nanamboarana Mosquee aza izany, afa-tsy ny Soalat AL-JANAZA ho an'ireo izay mbola tsy nanaovana ny fanompoam_pivavahana.

التصنيفات

Ny fanompoan-tsampy, Ny lalàna mamehy ny mosquée