Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana

Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana

Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tsy manana fahatsoram-po dia tsy hahazo fahombiazana amin'ny raharaha ara-pinoana sy ara-piainana sy amin'ny zavatra rehetra ataony ho amin'ny tenany, ary amin'ny zavatra ataony miaraka amin'ny hafa, dia voarara ho azy ny soa rehetra.

فوائد الحديث

Ny fahasoavana azo amin'ny fahatsoram-po sy ny famporisihana amin'ny mba hanana izany toetra izany, ary fanamelohana ny herisetra.

Ny fahatsoram-po no miantoka ny hatsarana eo amin'ny tontolo roa sy ny fanitarana ny raharahany, ary ny herisetra dia mifanohitra amin'izany.

Ny fahatsoram-po dia vokatry ny fitondran-tena tsara sy ny filaminana, ary ny herisetra dia vokatry ny fahatezerana sy ny tsy fahalalam-pomba, noho izany dia nidera avo ny fahatsoram-po ny Mpaminany (S.A.W).

Hoy i Sofyan Al-Thawri -Allah mamindra fo aminy-tamin’ireo namany : Fantatrareo ve ny atao hoe fahatsoram-po? Ny fametrahana zavatra rehetra amin'ny fitoerany, ny fihenjanana amin'ny fitoerany, ny fahatsorana amin'ny fitoerany, sabatra amin'ny fitoerany, ary ny karavasy amin'ny fitoerany.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara