إعدادات العرض
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana
Tatitra azo avy tamin'i No’màny ibn Bashìr (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana”, ary namaky Izy nanao hoe : “ Ary hoy ny Tomponareo nanao hoe : ‘Antsoy Aho, fa dia hovaliako Ianareo, eny, ireo izay manao tsinontsinona ny fanompoana Ahy dia hiditra amin’ny helo amin’ny henatra.’” [Ghafir: 60].
الترجمة
العربية తెలుగు हिन्दी Kurdî English Kiswahili Français فارسی தமிழ் සිංහල မြန်မာ Русский ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski Hausa മലയാളം دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Български Українська Português Tagalog Azərbaycan ქართული Lingala тоҷикӣ Македонски bm 中文الشرح
Nambaran'ny Mpaminany (S.W.A) Amintsika fa ny fanompoam-pivavahana ny fitalahoana manao Hataka Douàn, ka tsy maintsy atao amin'ny Fo rehetra amin'i Tompo Allah, na fitalahoana izany na koa fangatahana , ny mangataka amin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izay mahasoa Azy sy manalavitra Azy amin’ny fiainana eto An-tany na any A-nkoatra, na ny fitalahoana amin’ny fanompoam-pivavahana, izay zavatra rehetra Tian’i Tompo Allah sy Ankasitrahan’i Tompo Allah amin’ny teny sy ny fihetsika mibaribary na miafina, na Ara-fo, na Ara-batana, na Ara-bola izany dia mety avokoa. Avy eo ny Mpaminany , (S.W.A) dia nanome ireo Porofo rehetra momba izany rehefa Nilaza Izy ka nanao hoe : Hoy i Tompo Allah manao hoe : { Antsoy Aho fa hamaly Anareo. Fa izay mirehareha tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin'ny Afobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka }فوائد الحديث
Ny fitalahoana sy ny fangatahana no tena fototry ny Fanompoam-pivavahana ary tsy azo atao ny manolotra izany ho an’ny hafa An-koatra an’i Tompo Allah.
Ny fitalahoana sy ny hataka dia milaza ny fahamarinan’ny fanompoana sy ny fananan-karena sy ny herin’ilay Tompo avo Tsitoha, ary milaza tsy fananan’ny Mpanompo iray eo Aminy.
Ny fandrahonana mafy dia ny sazy ho an’ny fieboeboana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Tompo Allah sy ny fialana amin’ny fitalahoana sy fangatahana Aminy, ary ireo izay miavonavona amin’ny fiantsoana an’i Tompo Allah dia hiditra amin’ny Helo, afa-baraka sy maharikoriko.
التصنيفات
Vokatsoan'ny Douan