Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika

Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika

Tatitra azo avy amin'i Al-Mikdàm ben Ma'diyakrab (R.A) Niteny : fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.A.W) : " Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia ataontsika Halal, ary izay hitantsika fa Haram dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Irak'i Allah dia toy ny noraran'Allah ihany izany".

[Mari-pototra] [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah]

الشرح

Nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa efa manakaiky tokoa ny fotoana farany misy andian'olona, ny iray mipetraka ary ny iray matoritory eo am-pandrinany, tonga Aminy ny petra-bolana avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka hilaza Izy hoe ny mampisaraka atsika amin'ny zavatra iray dia ity bokin'i Allah Satria izany dia mahampy Atsika, ka izay hitantsika fa Halal dia hataontsika, ary izay hitantsika hoe Haram ao anatiny dia hankalavirintsika. Avy eo nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra rehetra izay nofadiny na koa norarany amin'ny fomba amam-panaony dia mitovy tantana amin'ny fandrarana izay nataon'i Allah ao amin'ny bokiny, Satria izany dia azony avy amin'ny tompony.

فوائد الحديث

Fanomezamboninahitra ny Sounna dia tahaka ny fanomezamboninahitra ny boky masina Koroany ary tena manan-kery izany.

Fanekena sy fan-katoavana an'ilay Irak'Allah dia fan-katoavana an'i Tompo Allah ary ny fikomiana Azy dia fikomina an'i Allah ilay Avo Tsitoha.

Porofo maha-azo antoka tanteraka ny Sounnat sy ny valin-kafatra ho an'izay mandà sy mitsipaka na mankahala an'izany.

Na iza na iza miala amin'ny Sounnat ary milaza fa mahampy ny boky masina Koroany dia efa mandà izy rehetra, mandainga amin'ny fitakiany hanaraka ny boky masina Koroany.

Isan'ireo porofo amin'ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ny fampahafantarany ireo zavatra hiseho any aoriana any, ary izany dia tena hitranga tokoa tahaka ny nambarany.

التصنيفات

Ny maha zava-dehibe ny Sunnat sy ny lanjany, Ny faminaniana, Ny fiainana fiandrasana