إعدادات العرض
Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra
Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra
Tatitra azo avy amin'i Abou Zarri (R.D), Niteny ka nanao hoe : Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Oromoo Wolof Soomaali Français Azərbaycan Tagalog Українська தமிழ் bm ქართული Deutsch Português Македонски Magyar فارسی Lingala Русский 中文الشرح
Nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa ny Zinga ao amin'ny dobony amin'ny Andro farany dia ho betsaka noho ny isan'ny kintana sy ny planeta eny amin'ny lanitra. Izany dia miseho amin'ny alina maizina tsy misy volana. Satria tsy hita ny kintana amin'ny alina diavolana, Satria voasaron'ny hazavan'ny volana, ary tsy misy rahona; Satria ny fisian'ny rahona manakana ny Olona tsy hahita ny kintana, Ary ny Zinga ao amin'ny Paradisa, izay misotro amin'ny zava-pisotro misy ao dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary izany no farany amin'ny hetaheta izay iainan'ny mpisotro. Ary ny dobony dia misy sakeli-drano roa avy any an-danitra mikoriana ao anatiny, ary mitovy amin'ny lavany ny sakany. Mitovy zoro ny dobo, ny halavany dia mitovy amin'ny elanelan'i Amman, izay tanàna ao Balqua ao SHAMI, mankany Ayla, izay tanàna malaza eo amoron'ny SHAMI. Ny rano ao anaty dobo dia fotsy noho ny ronono, ary ny tsirony dia mamy mihoatra noho ny tantely.فوائد الحديث
Fanamafisana fisian'ny dobo sy ny karazana fahasambarana ao anatiny.
Halebeazan'ny dobo sy ny halavany ary ny sakany sy habetsahan'ireo Zingany.