إعدادات العرض
Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona
Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (RD), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Kurdî Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Oromoo Wolof Soomaali Tagalog Français Azərbaycan Українська bm தமிழ் Deutsch ქართული Português mk فارسی Magyarالشرح
Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nanoratra ny amin'ny antsipiriany ny anjaran'ny zavaboary tsirairay izay mbola hitranga eo amin'ny fiainan'izy ireo, toy ny fiainana, ny fahafatesana, ny fivelomana sy ny zavatra hafa maro ihany koa, ao amin'ny solaitrabe voatahiry dimy alina taona talohan'ny namoronany ny lanitra sy ny tany, dia ho tanteraka avokoa izany arakan'izay efa nandidiany fanapahan-kevitran’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha Ka izay zavatra rehetra miseho sy mitranga dia araka ny lahatra izay efa nandaharan'ny Tompo Allah azy. Ka izay rehetra manjo sy mahazo ny mpanompo iray dia tsy hafaka ho tafihala amin'izany Izy, ary izay rehetra tsy nanjo sy tsy nahavoa Azy ihany koa dia efa voasoratra Aminy.فوائد الحديث
Ny maha Obligatoara fa tsy maintsy hinoana ny Anjara sy ny Lahatra.
Ny Lahatra dia ny hoe : Fahalalan'i Tompo Allah an'ireo zavatra rehetra sy ny fanoratana Azy ary ny fankasitrahany sy ny famoronany Azy.
Ny finoana dia milaza fa efa nisoratana avokoa talohan’ny nahariana sy nanamboarana ny Lanitra sy ny Tany ny Lahatra dia ny manome fahafaham-po sy fanekena Anao.
Teo ambonin’ny rano ny seza fiandrianan’ny Be famindrampo talohan’ny nahariana ny Lanitra sy ny Tany.
التصنيفات
Ambaratongan'ny lahatra sy ny anjara