Avelao izay manalasala Anao eo anatrehan'izay tsy manalasala Anao

Avelao izay manalasala Anao eo anatrehan'izay tsy manalasala Anao

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mohammadi al-Hasani ibn Ali ibn Abi Toalibo - zafikelin'ny Mpaminany sy ny malalany - niteny hoe : " Azoko avy tamin'ny Irakan'i Tompo Allah ny hoe : " Avelao izay manalasala Anao eo anatrehan'izay tsy manalasala Anao ".

[Mari-pototra] [رواه الترمذي والنسائي]

الشرح

Nandidy atsika ny Mpaminany (S.W.A) mba hiala amin’izay teny na fihetsika rehetra mampisalasala atsika, na voarara na azo atao, ary mankany amin’ireo izay rehetra azontsika antoka fa tsara sy azo atao.

فوائد الحديث

Ny mpino silamo dia tsy maintsy mametraka ny raharahany amin'ny fahatokiana ary miala amin'ireo mampisalasala, ary hahay tsara ny finoany.

Mandrara ny filatsahana ao anatin'ny ahiahy.

Raha mila fitoniana sy fampiononana ianao dia avelao ny zavatra mampisalasala ary apetraho any amin'ny sisiny.

Ny famindram-pon’I Allah amin’ny mpanompony satria nandidy azy ireo hanao izay mitondra fiadanan-tsaina sy fanahy Izy, ary nandrara azy ireo amin’izay mitondra tebiteby sy fikorontanana.