إعدادات العرض
ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ ไทย 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Hausa دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Soomaali Deutsch Moore Українська Български Wolofالشرح
Nanontaniana i Mpaminany (S.W.A) mahakasika ireny olona milaza fa mahalala ny zava-miafina hiseho amin'ny ho avy, dia namaly izy hoe : Aza variana amin'izy ireny ianareo, Ary aza raisina ny tenin'izy ireny, ary aza miasa loha momba azy ireny. Niteny ireo mpanontany manao hoe : ny tenin'izy ireny indraindray dia mifanaraka amin'ny zava-miseho, toy ny filazan'izy ireo fa hisy zavatra hitranga amin'ny volana izao sy andro izao dia tena mitranga tokoa araka ny voalazany. Namaly nilaza i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Mandre ny vaovao avy any an-danitra ny jiny, dia midina manambara izany any amin’ny mpimasy namany, avy eo ilay mpimasy indray no nanampy lainga zato tamin’izay reny tany an-danitra.فوائد الحديث
Voarara ny mino ireo mpimasya, ary lainga sy fitaka daholo ny zavatra lazainy, na dia marina aza izany indraindray.
Voaharo ny lanitra amin'ireo satana taorian'ny fandefasana an'ny Mpaminany (S.W.A) mba tsy hiaino ireo hafatra na ankoatra izany afa-tsy izay mangalatra mihaino ka naheno kely tamin'izany ary avotra tamin'ny tainkintana.
Ny Djiny dia maka sakaizany amin'ireo Olombelona.