Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana

Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana

Tatitra azo avy amin'i Omm A'tiya, ary izy dia nanao velirano tamin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari with a similar wording]

الشرح

Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.

فوائد الحديث

Ny rano mivoaka avy amin'ny fivavian'ny vehivavy - aorian'ny fahadiovana amin'ny fadimbolana - dia tsy heverina ho loto, na dia misy tsiranoka mavo azo avy amin'ny rà aza.

Ny fivoahan'ny tsiranoka mavo amin`ny fotoana tonga fotoana dia heverina ho fadimbolana. Satria izany rà amin'ny fotoany, afa-tsy hoe mifangaro amin'ny rano.

Ny vehivavy dia tsy mamela ny Soalat sy ny fifehezana noho ny tsiranoka mavo mipoitra aorian'ny fanadiovana, fa tokony hidio isaky ny hivavaka.