إعدادات العرض
Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah
Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah
Tatitra azo avy tamin'i Abi Mossa (R.A) niteny : Nanontaniana ny irak'Allah momba ny lehilahy iray izay miady amin'ny fahasahiana, sy miady noho ny fiarovana, ary ny miady amin'ny fireharehana, hoe : aiza amin'izy ireo no natao ho an'Allah? Dia hoy ny irak'Allah namaly hoe : "Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî മലയാളം Kiswahili සිංහල Русский دری Svenska አማርኛ অসমীয়া ไทย Tiếng Việt Кыргызча Yorùbá ગુજરાતી नेपाली Oromoo Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Wolof Moore Lietuvių ქართული Українськаالشرح
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) momba ny tanjona samihafa ananan'ireo mpiady. Misy ny miady noho ny fahasahiana, na noho ny fiarovana, na ny mba hahitana ny toerany eo anivon’ny vahoaka, na ny hafa ankoatr'izany, dia aiza amin'izy ireo no amin’ny làlan'Allah? Dia nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpiady amin'ny làlan'Allah dia izay miady mba hampiakatra avo ny tenin'Allah.فوائد الحديث
Ny fitsipika fototra momba ny fahatsaran'ny asa sy ny fahasimbany dia ny fikasana sy ny fahadiovam-po amin'ny asa atao ho an'Allah.
Raha ny hampiakatra avo ny tenin'Allah no tanjona tamin'ny ady natao dia, ary ampiarahina amin'ny tanjona ara-dalàna hafa, toy ny fahazoana harena, dia tsy manimba ny fikasana tany am-boalohany izany.
Fanoherana ny fahavalo tsy hiditra ny tanindrazana sy ny toeram-ponenana masina dia tafiditra ho ady amin'ny làlan'Allah.
Ny valisoa voalaza ho azon'ireo mpiady dia voatokana ho an'ireo izay niady mba hampiakatra ambony ny tenin'Allah ilay Tsitoha.