“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza

“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny soalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny. Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny swalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny. Nanapa-kevitra ny Mpaminany (S.A.W) ny hanao ny soalat, ary hanendry lehilahy iray hitarika ny olona eo amin'ny toerany, ary avy eo dia handeha hiaraka aminy ireo olona mitondra amboara kitay ho any amin'ny olona tsy manatrika ny vavaky amin'ny moske, ary hodorany amin'ny afo ny tranon'izy ireo; Noho ny hamafin'ny fahotana izay nataony tamin'izany lafiny izany, - nefa tsy nanao izany izy - noho ny vehivavy sy ny zaza tsy manan-tsiny ary ny hafa izay afa-tsiny sy tsy manan-tsiny tao an-tokantrano.

فوائد الحديث

Ny loza ateraky ny tsy fanatrehana ny soalat miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo (djamant) any amin'ny moske.

Ireo mpihatsaravelatsihy dia tsy mikasa ny hanao fanompoana afa-tsy noho ny fireharehana sy ny laza, ka tsy tonga mivavaka izy ireo raha tsy rehefa hitan’ny olona.

Lehibe ny valisoa ho an’ny vavaka Isha sy Fajr miaraka amin’ny maro, ary mendrika ny hanaovana izany na dia mandady aza.

Fifikirana ny vavaka Icha sy Fajri mba mba ho fiaro amin’ny fihatsarambelatsihy, ary ny tsy firaharahana izany dia anisan’ny toetran’ny mpihatsaravelatsihy.