Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany

Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay mitarika sy manoro làlana ary mamporisika ny olona ho amin’ny làlana misy ny fahamarinana sy ny hatsarana, amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika dia hahazo valisoa mitovy amin’ny azon'ireo nanaraka azy, tsy misy fihenana na dia kely amin'ny valisoa azon’ny mpanaraka izany. Ary izay mitarika sy manoro làlana ny olona ho amin’ny lalan-diso, sy ratsy, izay misy fahotana sy fahadisona, na zavatra tsy azo atao, amin’ny alàlan'ny teny na amin’ny fihetsika, dia hibaby enta-mavesatra mitovy amin’ny fahotan’izay manaraka azy izy, nefa tsy misy fihenana na dia kely amin’ny fahotan'izy ireo izany.

فوائد الحديث

Ny hasin’ny fiantsoana amin'ny fahitsina, kely na lehibe, ary ny mpiantso dia mahazo valisoa mitovy amin’ny mpanao azy, ary izany dia avy amin’ny fahasoavan’I Allah lehibe sy ny fahafenoan’ny fahalalahan-tànany.

Ny loza ateraky ny fiantsoana ho amin’ny fahaverezana, kely na lehibe, ary ny mpiantso amin'izany dia hahazo fahotana toy ny enta-mavesatry ny mpanao azy.

Ny valisoa dia mitovy karazana amin'ny asa.Izay miantso ho amin'ny tsara dia hahazo valisoa mitovy amin'ny valisoa ho an'izay mpanao azy, ary izay miantso ho amin'ny ratsy dia hanana enta-mavesatra mitovy amin'ny enta-mavesatry ny mpanao azy.

Ny mpino silamo dia tokony hitandrina amin’ny fankan'olona tahaka azy amin’ny fanaovana fahotana ampahibe-maso noho ny fahitan’ny olona azy manao izany, satria hahazo fahotana izy amin’izay manaraka azy, na dia tsy mamporisika azy hanao izany aza.