“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana

“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana

Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".

[Sahih/Authentic.] [Ahmad]

الشرح

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa noho ny olona (mba ho hitan'ny olona). Avy eo izy dia nilaza momba ny famaizana ho an'ireo mpisehoseho amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, fa ho lazaina amin’izy ireo hoe : Mandehana any amin’ireo nisehosehoanareo, ary jereo raha manana fahefana hamaly soa anareo sy hanome valisoa ho anareo amin’izany asa izany izy ireo?

فوائد الحديث

Voadidy ny manokana ny asa fanompoana ho an'I Allah irery, ary ny fitandremana amin'ny fisehosehoana.

Ny fangoraham-po betsakan'i Mpaminany (S.A.W) amin'ny vahoakany sy ny ezakany mafy hitarika sy hanoro hevitra azy ireo.

Raha izany no fatahoran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niresaka tamin’ireo mpanara-diany, izy ireo anefa no lehiben'ny olo-mendrika, dia vao mainka lehibe kokoa noho izany ny tahotrany ho an'ireo mpandimby azy ireo aty aoriana.