إعدادات العرض
“Ry olombelona, mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana
“Ry olombelona, mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A), niteny manao hoe : Hoy ilay Irak'I Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsimpony vatokely aho.” Dia nitsimpona vato kely fito ho azy aho, izany ny vato kely fitorahina ao Akaba, dia nataony teo amin’ny felatànany izy ireo ka niteny izy manao hoe : “tahak'ireto no hitorahanareo.” Ary hoy izy : “Ry olombelona, mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Kiswahili Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Tiếng Việt Hausa پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली മലയാളം Čeština Oromoo Română Kinyarwanda Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย Lietuvių Српски Українська Shqip ಕನ್ನಡ Wolof Moore ქართული Magyarالشرح
Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akaba nandritra ny Hajj fanaovam-beloma. Koa nasainy nanangona vatokely ho azy izy, ka nanangona vatokely fito ho azy, izay mitovy habe amin’ny voanjo na voa kely ny iray amin'izy ireo, dia napetrany teo amin'ny tànany ary nahetsiketsiny, dia niteny izy avy eo hoe : Mitovy habe amin'ireto no hitorahanareo, Avy eo dia nampitandrina mafy ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fihoaram-pefy sy ny fanenjanana loatra ary ny fanitarana loatra amin’ny resaka finoana, satria ny vahoaka teo aloha dia rendrika tamin’ny alàlan’ny fihoaram-pefy sy ny fihizingizinana diso tafahoatra teo amin’ny lafiny finoana.فوائد الحديث
Fandrarana amin'ny fihoaram-pefy amin'ny finoana, sy ny fanazavana ny voka-dratsy aterany, ary izy io no anton'ny faharendrehana.
Fandinihana ireo vahoaka nialoha làlana antsika mba hialana amin’ny fahadisoana nataony.
Famporisihana amin'ny fanarahana ny Sonnah.
التصنيفات
Resaka tsy fahalalana