Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny

Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny hoe : Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak' Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Mampahafantatra i Mpaminany (saw) fa ny olona sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana ataony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia ireo izay miteny hoe : "Tsy misy tompo afa-tsy Allah avy am-pony, izany hoe : Tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Allah, ary voaro manoloana ny fanompoan-tsampy sy fireherehana.

فوائد الحديث

Porofon'ny fanelanelanana hataon'ny Mpaminany (saw) amin'I Allah any ankoatra, ary izany dia ho an'ny mpino tokana ihany.

Ilay fanelanelanana ataon'ny mpaminany (saw), dia ny fitalahoany amin’I Allah ilay Tsitoha mba tsy hidiran'ny olona izay mendrika ny afobe avy amin’ireo mpino mpanokana azy, ary izay miditra ao amin'ny Afobe dia hivoaka ao.

Ny hasin'ny teny fanokanana an'I Allah amin'ny fanompoana Azy sy ny valisoa lehibe azo avy Aminy.

Ny fampiharana ny teny fanokanana an'I Allah dia amin’ny alàlan’ny fahafantarana ny heviny, sy ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’izany.

Fitiavany an'i Abo Horaira (R.A) manokana sy ny fahamatorany amin'ny fitadiavana fahalalana.

التصنيفات

Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy