ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.”

ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mou slim Al-Khaolani dia niteny Izy hoe : Niresaka tamiko ilay malala sy azo itokisana, raha ny aminy dia malalako Izy, ary izy dia azo itokisana eo anatrehako, Aof bin Malik Al-Ashja'i (R.A) niteny hoe : Tao amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) izahay, miisa sivy, na valo, na fito, hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ irak’Allah va ianareo?” ary vao tsy ela akory tamin'izany no nanaovanay velirano taminy, ka hoy izahay : “Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah” Dia hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?” Dia hoy izahay : "Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah". Dia mbola niteny izy : "Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?" Hoy izy : “Namelatra ny tànanay izahay ka niteny hoe : Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah, ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.” efa hitako ny sasany tamin'ireny olona ireny latsaka taminy ny karavasiny , ka tsy mangataka na iza na iza hanome azy izany.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Niaraka tamin'ireo mpanara-diany maromaro ny Mpaminany (S.A.W), ka nangataka azy ireo intelo izy mba hanao velirano aminy sy hampanantena azy fa hanolo-tena amin'ny raharaha sasany: Ny voalohany : Ny fanompoana I irery ihany amin’ny alàlan’ny fankatoavana ny didiny sy ny fialana amin’izay norarany, ary ny tsy hanambatra Azy amin'ny hafa. Ny faharoa : Fananganana ny vavaka dimy tsy maintsy atao isan’andro sy alina. Ny fahatelo : Ny fihainoana sy ny fankatoavana amin’ny tsara ho amin'izay miandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo. Fahefatra : fanakinana ny filana rehetran'izy ireo any amin'I Allah, ary tsy mangataka na inona na inona amin’ny olona, ary nampidina ny feony ny Mpaminany (S.A.W) tamin’izany. Tena nanatanteraka ny veloranony ny mpanara-dia, ary nilaza mihitsy ilay mpitantara ny hadith hoe : Hitako ny sasany tamin'ireo mpanara-dia nilatsaka ny karavasin'ny iray tamin'izy ireo, ary tsy nangataka na iza na iza hanome izany ho azy izy, fa aleony midina haka azy.

فوائد الحديث

Famporisihana ny tsy hangatahana amin'ny olona, ary ny fiatahana ny rehetra atao hoe hataka, ary ny tsy fitavandrana olona na dia amin'ny zavatra tsotra aza.

Ny fangatahana voarara : Dia ny fangatahana mifandraika amin'ny raharaha eto an-tany, ka tsy ao anatin'izany ny fangatahana momba fahalalana sy ny finoana.