إعدادات العرض
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Masoundi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Русский Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Hausa ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली тоҷикӣ Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული bm Lingala Македонскиالشرح
Nohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) ireo zavatra ny fanaovana azy dia fanomoan-tsampy; isan'izany : Voalohany : Al-Rokiat : ireo teny izay itadiavan'ny olona talohan'ny Islam fahasitranana izay mifono fanompoan-tsampy. Faharoa : Ody atao amin’ny vakana sy ny toy izany : izay afatotra amin’ny ankizy sy ny biby ary ny hafa mba hialana amin’ny ratsy. Fahatelo: Tioala : Ody fitia izay atao mba hampifankatia ny mpivady roa. Ireo zavatra ireo dia fanompoan-tsampy; Satria izy no antony nanaovana zavatra iray, nefa izy di tsy antony mazava tsara arahna porofo, no sady tsy antony mivaingana azo tsapahin-tànana amin'ny traikefa. Fa ny amin’ny antony ara-dalàna, toy ny famakiana ny boky masina Koroany na ny antony ara-batana, toy ny fanafody voaporofon’ny traikefa, dia azo atao amin’ny finoana fa izy tokoa no antony, ary ny soa sy ny ratsy dia eo am-pelatànan'Allah.فوائد الحديث
Fanamboarana ny finoana sy ny foto-pinoana amin'izay manimba azy.
Fandrarana ny fampiasana Rokia misy Shirky, Hirizy ary Ody mahery.
Ny finoan'ny olona fa hoe iray amin'ireo telo ireto ho antony : dia Shirky kely; Satria nametraka zavatra sy antony ho antony, fa ny finoana hoe mahasoa sy manao ratsy kosa dia Shirky lehibe izany.
Fampitandremana amin'ny fanaovana ny anton-javatra iray ara Shirky sy izay Voarara.
Fandrarana ny Rokiat ary voasokajy ho Shirky, afa-tsy izay ara-dalàna.
Ny Fo dia tokony hifantoka amin’Allah irery ihany tsy misy, avy aminy ny loza sy ny tombontsoa, ary tsy misy mpiara-miasa aminy. Tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy manafoana ny ratsy afa-tsy Allah ilay avo Tsitoha irery ihany.
Ny Rokiat azo atao dia nahafeno ireto fepetra telo ireto : 1-Heverina ho antony ary tsy manasoa afa-tsy amin'ny alàlan'i Allah. 2-Tokony ho ao amin’ny boky masina Koroany, ny anaran'Allah sy ny toetrany,, ny fitalahoana ara-paminaniana ary ny fitalahoana ara-dalàna. 3-Tsy maintsy amin'ny fiteny mazava ny dikany ary tsy misy ody sarisary sy ody Mpimasy.
التصنيفات
Ny Roquia ara-dalàna