“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”

“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy ho avy ny ora farany raha tsy mandalo fasana ny olona iray ka maniry ny ho faty eo amin'ny toerany, ny antony dia ny fahatahorany ny tenany sao dia ho votsotra aminy ny finoany, noho ny fanjakazakan’ny lainga sy ny olony, ary ny fisehoan’ny fitsapana sy ny fahotana ary ny fahavetavetana.

فوائد الحديث

Filazana ny fipoiran’ny fahotana sy ny fitsapana amin’ny fotoana farany.

Famporosina amin'ny fahamailona sy ny fiomanana amin’ny fahafatesana amin’ny alalan'ny finoana sy ny asa tsara ary ny fanalavirana ny toerana misy fakam-panahy sy ny fitsapana.