إعدادات العرض
Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana
Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana
Tatitra azo avy tamin'i Taosy (R.A) fa tena marina Izy Niteny ka nanao hoe : Nahita sy nahatratra andian'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) Nilaza fa ny zava-drehetra dia lahatra, ka Niteny Izy hoe : Izaho nandre an'i Abdollahi ibn Oumar (S.W.A) Nilaza hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana ".
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Oromoo Soomaali Français Wolof Azərbaycan Tagalog Українська தமிழ் bm Deutsch ქართული Português Македонски Magyar فارسی Русский 中文الشرح
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Tompo Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.فوائد الحديث
Fanazavana ny foto-pinoan'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) momba ny lahatra,
Ny zava-drehetra dia nalahatr'i Tompo Allah na dia ny tsy fahafahana sy ny fahazotoana aza izany.
Tazana ny fitandreman'ireo Mpanaradian'ny Mpaminany (S.W.A), tamin'ny fampitana ny Hadithe-n'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah.
Ny finoana sy ny fanekena ny lahatra rehetra na tsara na ratsy.