Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy

Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy: {Ary atsangano ny soalat ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14]."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nanadino ny manao soalat tsy maintsy atao ka nivoaka ny ora fanaovana azy, dia tsy maintsy manafaingana sy mihazakazaka ho amin'ny fanefana izany izy raha vao mahatsiaro azy. Tsy misy famafana sy fanafenana ny fahotana amin’ny tsy fanaovana izany raha tsy hoe fanatanterahan'ny mpino ny vavaka amin’izany rehefa tsaroany. Hoy Allah ao amin’ny boky masina Kor'any hoe : {Ary atsangano ny vavaka ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14], izany hoe : Manaova ny vavaka hadinonareo rehefa tsaroanareo.

فوائد الحديث

Fanazavana ny maha zava-dehibe ny soalat sy ny tsy fanaovana tsirambina ny fanatanterahana azy sy ny fanefana izany.

Tsy azo atao ny manao fanahiniana amin'ny fanemorana ny fanaovana ny soalat mihoatra ny fotoana voatondro, raha tsy misy fialan-tsiny azo ekena.

Tsy maintsy atao ny mivavaka ho an’ny olona nanadino raha mahatsiaro ary ny matory rehefa mifoha.

Tsy maintsy atao avy hatrany ny fanefana ny soalat, na dia amin’ny fotoana voarara aza.

التصنيفات

Ny mahavoadidy ny Swalat sy ny didim-pitsarana amin’izay manambela azy, Ireo fahadisoana ataon'ny mpanao Swalat