Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany

Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany

Tatitra azo avy amin'i Abo Qatàda Al-Salami (R.A), niteny ny Mpaminany (S.AW) manao hoe : "Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Namporisika ny Mpaminany (S.A.W) amin'izay rehetra tonga sy miditra ao amin'ny moske amin'ny fotoana rehetra, na amin'ny tanjona rehetra, ny hanao swalat roa raka'at alohan'ny hipetrahana, izy io dia ny roa raka'at fiarahabana ny moske.

فوائد الحديث

Tsara ny soalat roa raka'at ho fiarahabana ny moske alohan'ny hipetrahana.

Ity didy ity dia natao ho an'izay te hipetraka, fa izay miditra ao amin'ny moske kosa ary mivoaka alohan'ny hipetrahana dia tsy voakasik'izany didy izany.

Raha miditra ao amin'ny moske ny mpivavaka iray ka eo am-panaovana swalat ny olona ​​dia ampy tsy hanaovany ny soalat roa raka'at ny fidirany miaraka amin'izy ireo ao anaty soalat.

التصنيفات

Ny Swalat an-tsitrapo, Ny lalàna mamehy ny mosquée