إعدادات العرض
Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso
Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : "Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî മലയാളം Kiswahili Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá සිංහල ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or Kinyarwanda नेपाली Română Lietuvių తెలుగు ಕನ್ನಡ Oromoo Nederlands Soomaali Deutsch Shqip Српски Українська Moore Wolof ქართული Azərbaycan Magyar தமிழ் Македонскиالشرح
Mamporisika antsika hamaly ny mpiantso rehefa mandre azy ny Mpaminany (SAW), amin'ny famerenana izay lazainy, fehezanteny isaky ny fehezanteny. Rehefa miteny “Allaho Akbar” izy, dia isika koa mamaly hoe “Allaho Akbar” ao aoriany, ary rehefa manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa izy, dia manonina izany koa isika ao aoriany. Tsongaina manokana ny teny hoe : (Hayya Àla-soalat, Hayya Àlal-Falàh - Izay midika hoe : Mitongava manatrika ny vavaka, mitongava amin’ny fahombiazana), eo kosa dia tenenina ao aoriany hoe : (Là Haola wala-qowwata illà billàhy - Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah.فوائد الحديث
Mamerina ny voalazan'ny mpiantso faharoa rehefa vita ny an'ilay voalohany, raha toa ka maromaro ny mpiantso: Satria ny mpanao Azany amin'ny ankapobeny no lazain'ny Hadith.
Mamaly ny mpiantso amin'izay rehetra teneniny, raha tsy ao amin'ny trano fivoahana na mamoaka maloto ihany no tsy manaraka
التصنيفات
Ny Azan sy Iquama