“Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”

“Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Maso'di (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra eo amin'ny silamo izay hanao ampihimamba ny volan'ny silamo sy ny raharahan'izy ireo eto an-tany, handany izany araka izay tiany ary tsy hanome ny zon'ny mpino silamo amin'izany. Ary mety hanao zavatra tsy ankasitrahana izy ireo momba ny finoana. Nanontany azy ireo ny mpanaradiany hoe: Inona no tokony hataon’izy ireo amin’izany toe-javatra izany? Niteny tamin'izy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fakany ny harena ho azy samirery dia tsy misakana anareo hanao izay adidinareo amin'izy ireo amin'ny fihainoana sy ny fankatoavana, fa kosa, mahareta, mihainoa, mankatò ary manaova fa aza mifanditra amin'izy ireo amin’io raharaha io, ary angataho ny zo anananao amin’Allah, mba hanitsiny azy ireo sy hanesorana ny faharatsiana sy ny tsy rariny ataony.

فوائد الحديث

Ny hadith dia iray amin'ireo porofon'ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) araka ny nambarany izay hitranga amin'ny vahoakany, ary izany dia nitranga araka izay nambarany.

Azo atao ny mampahafantatra ny olona voasedra izay loza mety hitranga aminy; Mba hampitony ny tenany ary rehefa tonga eo aminy izany, dia hanam-paharetana izy sy hanantena valisoa.

Ny fihazonana mafy ny kor'any sy ny Sonnah dia làlana hivoahana amin’ny fitsapana sy ny tsy fitovian-kevitra.

Famporosina ny olona hihaino sy hankatò ny tompon’andraikitra amin’ny ara-dalàna, ary tsy hikomy aminy, na dia tafanao ny tsy rariny aza izy.

Fampiasana fahendrena sy fanarahana ny Sonnah amin'ny fotoana isehoan'ny fitsapana.

Voadidy tsy maintsy manao izay tokony hataony ny olona iray, na dia misy aza ny tsy rariny mahazo azy.

Tsongaina amin'io ny fitsipika hoe : ny fisafidina izay moramora

kokoa amin'ny ratsy roa na ny maivana amin'izy roa.