إعدادات العرض
Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao
Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao
Niteny Abo Al-'abbaasi, Sahalo Ibn San'di As-saa'idi (R.A), fa nisy lehilahy iray tonga tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ka nilaza hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ! Atoroy asa Aho, raha manao azy Aho dia ho tian'i Tompo Allah ary ho tian'ny Olona ihany koa. Dia hoy Izy : Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල دری অসমীয়া پښتو O‘zbek Tiếng Việt Македонски Nederlands Kiswahili ភាសាខ្មែរ ਪੰਜਾਬੀ తెలుగు ไทย Moore አማርኛ Magyar Azərbaycan ქართული ಕನ್ನಡ ગુજરાતી Українська Shqip Кыргызча Српски Kinyarwanda тоҷикӣ Wolof Čeština தமிழ் नेपाली മലയാളം kmr ms Deutsch Lietuviųالشرح
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A) mba hitari-dàlana Azy amin'ny asa, raha ataony, dia ho tian'i Tompo Allah Izy ary ho tian'ny Olona izany. Ka hoy Mpaminany (S.A.W) Taminy : Ho tia Anao i Tompo Allah raha mahafoy ny zava-tsarobidin’izao tontolo izao sy izay tsy hahasoa Anao any an-koatra Ianao, ary mahafoy izay mety hanimba ny finoanao. Ary ho tia Anao ny Olona, raha mandà izay ananany amin’izao tontolo izao Ianao, Satria araka ny maha-izy azy no tiany, ka izay mifaninana Aminy dia halany tsy tiany, ary izay mahafoy izany ho Azy dia tiany.فوائد الحديث
Ny hasin'ny fihafiana eto amin'izao tontolo izao, dia ny hoe : miala amin'izay tsy mahasoa ny any ankoatra.
Ny Zohodi dia ambony noho ny fitiavam-bavaka, Satria ny fitiavam-bavaka dia miala amin'izay mety hanimba, fa ny Zohodi dia miala amin'ny zavatra tsy mahasoa any ankoatra.
Hoy i Al-Sindi : Tena marina fa ny eto an_tany dia anisany zavatra tena tian'ny Olona amin'izao tontolo izao, ka izay mifaninana Aminy amin'izany dia ho halan'izy ireo hatramin'izay, ary izay mandao azy ireo sy ny Olon-tiany dia ho tian'ny fony hatramin'izay.
