Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona

Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona

Tatitra azo tamin'i Al-Nawwàs bin Samà’n Al-Ansari (R.A) Niteny ka nanao hoe : Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nanontaniana momba ny hatsarana sy ny fahotana i Mpaminany (S.W.A) ka hoy Izy namaly hoe : Ny tena toetra tsara indrindra amin’ny fahatsarana dia ny fitondran-tena tsara sy mendrika eo anatrehan’i Yompo Allah amin’ny alàlan’ny fahatahorana Azy, ary amin’ny zavaboary dia amin’ny alàlan’ny fiharetana amin'ny fampijalina atany, ny tsy fisian’ny fahatezerana, ny endrika falifaly, ny fitenenana tsara, ny fifandraisana, ny fankatoavana, ny hatsaram-panahy, ny fahalalahan-tànana, ny fahaiza-miaina tsara ary ny fiarahana. Fa raha ny amin’ny fahotana, dia ny fisalasalana no miveivezy ao amin’ny fanahy sy misalasala raha tsy misokatra ny tratrany, ary ny fisalasalana sy ny tahotra ny amin’izany ho fahotana no nitranga tao am-po. Tsy te hampiseho izany Izy satria ratsy ho an'ny Olona manana ny maha Izy azy sy lavorary izany, ary izany dia Satria ny fanahy dia tia mampahafantatra amin'ny Olona ny hatsarany, ka raha mankahala ny fampahafantarana ny sasany amin'ny zavatra ataony Izy Satria ota tsy misy hatsarana.

فوائد الحديث

Famporisihana amin'ny fitondran-tena tsara sy mendrika indrindra; Satria ny toetra tsara dia iray amin'ireo famatarana tsara indrindra amin'ny fahatsarana.

Ny marina sy ny lainga dia tsy afangaro amin’ny Olona Mpino, fa amin’ny alàlan’ny fahazavana ao am-pony no ahafantarany ny marina, ary manalavitra ny lainga sy mandà an'izany.

Anisan’ny famantarana ny fahotana ny fanahiana sy ny fikorontanana ao am-po, ary ny fandavana ny hilaza izany amin’ny Olona.

Hoy i Al-Sindhi : Mihatra amin'ny raharaha mampiahiahy izay tsy fantatry ny Olona ny fanendrena ny iray amin'ireo zavatra roa. Raha tsy izany, ny didin'ny Sharia tsy misy porofo miseho mifanohitra amin'izany dia fahatsarana, ary izay voarara dia fahotana koa, ary tsy ilaina ny fo hitady Fatowa na hanome toky Azy.

Ireo izay resahina ao amin'ny Hadithe dia ireo Olona manana saina tsara, fa tsy ireo manana fo torotoro izay tsy mahalala ny tsara ary tsy mandà ny ratsy afa-tsy izay nosotroiny tamin'ny faniriany.

Hoy i Al-Tibi : Voalaza fa ny fahatsarana ao amin'ny Hadithe dia nadika tamin'ny heviny isan-karazany toy ny nahazoan'ny fanahy sy fo toky, ary amin'ny toerana iray dia nadika tamin'ny zavatra mitondra Anao akaiky kokoa an’i Tompo Allah, ary eto dia ny toetra tsara, ary ny toetra tsara dia nadika hoe : mandefitra ny ratsy, tsy misy fahatezerana, miharihary, ary mitovitovy ny heviny.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara, Ireo asan'ny fo