Aza tezitra

Aza tezitra

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.W.A) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.W.A ) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Niangavy tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ny iray tamin’ireo Mpanaradiany mba hitari-dàlana azy amin’ny zavatra mahasoa azy, ka nodidiany izy mba tsy ho tezitra, izany hoe : hialana amin’ny antony rehetra mety mahatonga izany hatezerana izany sy ireo zavatra mety mampahatezitra Azy, ary tokony mifehy tena mafy raha tena tezitra, ka tsy tokony manohy ny fahatezerany amin'ny famonoana na daroka, na ny fanozonana, na izay mitovy amin'izany. Naverimberin'ilay rangahy im-betsaka ny fangatahany, saingy tsy nanampy tamin'ny sosokevitra i Mpaminany (S.W.A) fa mbola ilay teny hoe : “Aza tezitra” ihany no nolazainy taminy hatrany.

فوائد الحديث

Ny fampitandremana amin'ny fahatezerana sy amin'izay antony mety ahatonga izany, Satria izany no fomba iray mety ho fisorohana ny ratsy rehetra, ary ny fialana amin'izany dia ny fisorohana ny tsara hatrany.

Ny fahatezerana nohon’Allah dia toy ny fahatezerana rehefa voadikadika ny voninahitr'Allah rehetra, izay fahatezerana mendri-piderana.

Famerimberenana ny teny rehefa ilaina izany mandra-pahafantaran’ny mpihaino azy ny maha-zava-dehibe azy.

Ny hatsaran'ny fangatahana torohevitra amin'ireo manam-pahaizana.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara