“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka

“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka Ary aza mifampitsikilo (tia hahalala zava-miafin'ny hafa), ary aza mifampitsikilo (tia hahalala ny kilema miafin'ny hafa), ary aza mifampialona, aza mifampiamboho, ary aza mifankahalala, ary meteza ianareo ho mpanompon’I Allah mpirahalahy.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Mandrara sy mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny zavatra sasantsasany izay mitarika fisaraham-bazana sy fifandrafiana eo amin'ny samy mpino silamo. Anisan'izany ny : (Ny ahiahy) izany dia fiampangana atao ao am-po tsy misy porofo, ary nanazava izy fa izany dia anisan'ireo teny diso indrindra. Momba ny "fitsikilovana": izany dia ny fikarohana tia hahalala ny zava-miafin'ny olona amin'ny alàlan'ny maso na ny sofina. Ary (fitsikilovana) : Izany dia fikarohana ny zavatra miafina, ary matetika zavatra ratsy no resahina amin'izany. Ary ny momba ny : (fialonana), izany dia ny fankahalana ny fahasoavana azon'ny hafa. Ary ny amin'ny: (firafesana) izany dia ny fifanomezan'izy ireo lamosina, ka tsy mifampiarahaba na mifamangy ny rahalahiny silamo. Ary momba ny : (fankahalana), fankahalana ary fankaratsiana, toy ny fanimbana ny hafa, ny fanehoana tava ratsy manoloana ny hafa, fandraisana olona amin'ny fomba ratsy. Avy eo izy dia nilaza teny feno fampihavanana amin'ny samy mpino silamo hoe : (Ary aoka ho mpanompon'Allah mpirahalahy mifankatia ianareo) Ny firahalahiana dia tady manambatra ny fifandraisana eo amin'ny olona ary mampitombo ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana eo amin'izy ireo.

فوائد الحديث

Tsy maninona ny manana ahiahy amin'ny olona efa manabaribary ny toe-dratsiny, ary ny mpino dia tokony ho kinga sy maranin-tsaina fa tsy ho voafitak’ireo ratsy fanahy sy ny ratsy fitondran-tena.

Ny tiana ho lazaina dia fampitandremana amin’ny fiampangana miraikitra ao anatin’ny fo sy ny fiziriziriana amin’izany, fa izay miselana ao am-po kosa tsy miraiki-tapisaka, tsy ho terena aminy ny hitandrina izany.

Fandrarana ireo antony mety mahatonga fisaraham-bazana sy fizarazarana eo amin'ny samy mpiara-belon'ny mpino silamo, toy ny fitsikilovana sy ny fialonana ary ny hafa tahaka izany.

Ny didy mba hifampitondran'ny samy mpino toy ny mpirahalahy eo amin'ny torohevitra sy ny fitiavana.