إعدادات العرض
Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra
Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra
Tatitra azo avy tamin'i Abi Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Русский Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული Lingala тоҷикӣ bm Македонскиالشرح
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny tena tanjaka dia tsy ilay tanjakin'ny vatana, na koa ny hery aseho mba entina handresena ny olon-kafa, fa ny olona lazaina hoe matanjaka sy mahery dia izay mahavita mitazona sy miady mafy amin'ny tenany sy mandresy ny vatany ihany koa rehefa mirehitra ny fahatezerany. Satria izany dia tena Olona mampiseho ny tanjakany nohon'ny fifehezan-tena sy ny fandreseny an’i Satana.فوائد الحديث
Ny hasin'ny fandeferana sy ny fifehezan-tena rehefa amin'ny fotoana tezitra, ary izay dia tafiditra ho anisan'ny asa soa izay ampirisihin'ny finoana Islam ny rehetra mba tokony hanana an'izany.
Ny manohitra ny tena rehefa tezitra dia sarotra kokoa noho ny miady amin'ny fahavalo.
Ny Finoana Islam dia manova ny foto-pisainana izay nisy talohan'ny nahatongavany finoana Islam ho fitondran-tena mendrika ka ny olona matanjaka indrindra dia izay mahafehy ny tenany sy ny vatany.
Fahalavirana amin’ny fahatezerana; Noho ny fahavoazana aterany ho an’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara