“Izay mino an’Allah sy ny Andro farany dia aoka hiteny tsara na hangina

“Izay mino an’Allah sy ny Andro farany dia aoka hiteny tsara na hangina

Arakan'ny petra-bolana izay notaterin'ny Abo-Horairah (R.d), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) Nilaza ka nanao hoe : “Izay mino an’Allah sy ny Andro farany dia aoka hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina aminy; ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hikarakara tsara ny vahininy.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (saw) fa ny mpanompo izay mino an’Allah sy ny andro farany, izay hiverenany sy hahazoany valisoa amin'ny asany, dia ampirisihin'ny finoany hanao ireo toetra ireo. : Ny voalohany: ny teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny olona raha tsy manao izany izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy azy, ary hiaro ny lelany. Faharoa: Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy aminy fa tsy manisy ratsy azy. Fahatelo: Manaja ny vahiny tonga mamangy anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.

فوائد الحديث

Ny finoana an’Allah sy ny andro farany no niandohan’ny soa rehetra ary mandrisika ny olona hanao ny tsara.

Fampitandremana amin'ny voka-dratsy ateraka avy amin'ny lela.

Ny fivavahan'ny silamo dia fivavahan'ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana.

Anisan’ny sampan’ny finoana sy ny fahalalam-pomba mendri-piderana ireo toetra ireo.

Ny firesahana tafahoatra dia mety hitarika amin’ny zavatra tsy tiana na voarara, ary ny tsy fitenenana afa-tsy ny amin’ny zavatra tsara no azo antoka.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara