إعدادات العرض
Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany…
Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany
Tatitra azo avy tamin'i Khawlat Binti Hakim As-Sulamya niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany."
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français اردو 中文 हिन्दी Bahasa Indonesia বাংলা Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Русский ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Türkçe دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Tagalog Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Oromooالشرح
Manoro làlana ireo vahoakany i Mpaminany (S.A.W), amin'ny fitadiavana fiaraovana sy fialofana mahasoa izay hahatonga ny olona rehetra tsy hatahotra rehefa mipetraka amin'ny toerana iray, na eo am-pandehana na any ami'ny fitsangatsanganana, na hafa ankoatr'izay : Mba hitady fiarovana sy fialofana amin'ny tenin'Allah izay feno fahasoavany sy ny fitahiana ary ny tombontsoany, tsy misy kilema sy ny tsy fahampiana amin'ny haratsian'ny zavaboary rehetra, dia ho voaro amin’ny zava-dratsy rehetra raha mbola mijanona amin'io toerana misy azy io.فوائد الحديث
Ny fangataham-piarovana dia tafiditra ho fanompoana, ary izany dia atao mivantana amin'i Allah na amin'ny anarany na amin' ny toetrany.
Azo atao ny mitady fiarovana amin’ny tenin’Allah, satria anisan’ny toetrany izany, fa tsy toy ny fangatahana fiarovana amin’ny zavaboary rehetra, dia fanompoan-tsampy.
Hatsaran'ity Doa'n ity sy ny fahasoavany.
Ny fanamafisana ny fiarovan-tena amin'ny tonombavaka dia antony iray hiarovana ny mpanompo amin'ny ratsy.
Fanafoanana ny fitadiavana fiarovana amin'ny hafa ankoatra an'Andriamanitra, toy ny jiny, ny mpanao ody, ny mpamosavy, sy ny hafa.
Ny maha-ara-dalàna an'ity Douan ity ho an'ny olona mijanona ao an-trano na mandehandeha.