O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, ka Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Iraka mahafatokin'i Tompo Allah va Ianao ?

O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, ka Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Iraka mahafatokin'i Tompo Allah va Ianao ?

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, ka Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Iraka mahafatokin'i Tompo Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".

[Sahih/Authentic.] [Abu Ya‘laa]

الشرح

Tonga Lehilahy iray teo amin'ny Mpaminany (S.W.A) ary Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, marina tokoa fa efa nanatanteraka ireo fahotana sy ny fahadisoana rehetra ny Tenako, ka tsy misy navelako na kely na lehibe afa-tsy hoe nataoko avokoa izany, Ka moa ve ho hahazo famelan-keloka fona Aho ? Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka Nilaza nanao hoe : Moa va tsy efa nijoro vavolombelona Ianao fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary Mouhammadi (S.W.A) dia irakan'i Tompo Allah ? Naverimberiny Taminy in-telo izany, Ka hoy Izy Namaly hoe : Eny Mijoro vavolombelona marina Aho, Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahasoavan'izany fijorona vavolombelona roa izany dia ny famafana ireo haratsiana, ary ny fibebana dia mamafa ireo rehetra teo aloha.

فوائد الحديث

Halebeazan'ny fijorona vavolombelona roa sy ny famafàny ireo fahotana ho an'izay Niteny izany am-pahamarinana ao am-pony.

Ny finoana Islam dia mamafa ny fahotana rehetra vita teo aloha.

Ny fibebana marina ihany koa dia mamafa ireo fahadisoana rehetra teo aloha.

Ny famerimberenana ny fampianarana dia anisan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A).

Fahasoavan'ny fijorona vavolombelona roa, ary izany dia antony fanavotana amin'ny fijanonana mandrakizay ao amin'ny Afobe.