Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay }

Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay }

Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny ka nanao hoe : Teo aloha namaky ny Boky Torah tamin’ny teny Hebreo ny Olon’ny Boky ary nanazava izany tamin’ny vahoakan’ny Islamo tamin’ny teny Arabo, hoy ny Irakan’i Tompo Allah hoe : “ Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay } [Al-bakarat 136] Andininy".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Nampitandrina ireo vahoakany i Mpaminany (S.W.A), mba tsy ho voafitakin'ny zavatra lazain'ireo Olon'ny Boky ao amin'ny Bokin'izy ireo, Satria tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.W.A) dia namaky ny Boky Torah tamin'ny teny Hebreo ireo vahoakan'ny Djiosy. Satria Fitenin’ny Djiosy izy io, ary adikan'izy ireo amin’ny teny Arabo. Dia Niteny i Mpaminany (S.W.A): Aza mino ny Olon'ny Boky ary aza mampandaingana azy ireo, Satria efa tsy fantatra ny marina sy ny diso amin'izay voaray avy amin'izy ireo, Izany dia Satria i Tompo Allah no nibaiko Isika rehetra mba hino ireo zavatra nampidininy ao amin'ny Boky masina Koroany sy izay nampidininy ao Bokin'izy ireo, saingy Isika no tsy mahalala ny marina izay tantarainy izy ireo mahakasika an'io Boky io amin'ny diso ao Aminy raha toa ka tsy misy fanambarana ato amin'ny lalànantsika izay manazava ny marina amin'ny lainga. Koa mijanona isika fa tsy hino azy ireo; mba tsy hiombonantsika amin’izy ireo amin’izay rehetra efa novain'izy ireo, ary tsy handà azy ireo ihany koa; sao dia marina ihany izay voalazan'izy ireo ka lasa handà ankitsirano an'izay nandidiana antsika amin'izay tokony hinoantsika isika. Ary nandidy Atsika i Mpaminany (S.W.A) mba Hiteny hoe : { Mino an'i Tompo Allah, sy izay nampidinina Taminay, ary izay nampidinina tamin'i Mpaminany Abrahama, Ismaela, Ishaka, Jakoba sy ireo taranak' izy ireo rehetra. Torak'izany ihany koa izay nomena an'i Mpaminany Mosesy sy Jesoa ary izay nomena ireo Irakan'i Tompo Allah avy tamin'ny Tompo Zanahariny. Tsy manavaka na dia ny iray amin'izy ireny aza Izahay. Ary Izahay dia mpanolotena ho Azy } [ Al-bakarat: 136 ].

فوائد الحديث

Izay rehetra nolazain'ireo Olon'ny Boky dia voasokajy amin'ny fizarana anaki-Telo : Misy ireo mifanaraka amin'ny Boky masina Koroany sy Sounnat dia ekena sy hinoana izany, misy kosa izay mifanohitra amin'ny Boky masina Koroany sy Sounnat izany kosa dia disoina no sady tsy ekena, ary misy ihany koa izay tsy ny Boky masina Koroany sy Sounnat no manamarina Azy na koa manohitra na manadiso Azy, izany ka izany kosa dia azo tantaraina, fa tsy hinoana no sady tsy disoina.