إعدادات العرض
{Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.}
{Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.}
Tatitra azo avy tamin'i Az-Zobair bn Al-Àwwàm niteny hoe : Rehefa nilatsaka ny andininy masina hoe: {Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.} [At-Takàthor: 8] dia nilaza i Al-Zobayr hoe : Ry irak'Allah ô! Inona no karazana fahasambarana hanontaniana anay? Moave ny atrendry sy ny rano? Dia namaly izy : “Ho tanteraka izany.”
[Tsara] [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah]
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Shqip Soomaali Српски Українська Wolof Tagalog Moore தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Rehefa nilatsaka ny andininy hoe: {Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana}. Izany hoe : Hanontaniana ianareo ny amin’ny fisaorana noho ny fahasoavana nomen’Allah anareo. Ary hoy i Al-Zobayr bin Al-Àwwàm : “Ry irak’Allah ô! inona no fahasoavana hanontaniana anay? ! Tsy misy afa-tsy fahasoavana roa ihany no eo aminay, izay tsy mitaky fanontaniana akory : dia ny atrendry sy rano izany ! Ka nilaza ny Mpaminany (S.A.W) : Raha ny aminareo kosa, dia hanontaniana ianareo momba ny fahasambarana amin’izao toe-piainana misy anareo izao, satria fahasoavana roa lehibe avy amin’Allah Tsitoha ireo.فوائد الحديث
Fanamafisana ny fankasitrahana an’Allah Tsitoha noho ireo fahasoavana.
Fahasambarana no hanontaniana ny mpanompo amin’ny andro farany, na kely izany na lehibe.