“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”

“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horairah (R.A), niteny ny Mpaminany (saw) manao hoe : “Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misy zavatra mampisalasala ao an-kibon'ny olona mivavaka, ka very hevitra izy, misy zavatra mivoaka avy ao na tsia? Noho izany dia tsy tokony hanajanona ny vavaka ataony izy na manapaka izany mba hamerina ny fidiovany, mandra-pahazoany antoka ny fisian’ny zava-nitranga izay manafoana ny fidiovany amin’ny alàlan'ny fandrenesana ny feon’ny rivotra, na ny fandrenesana ny fofona; Satria izay azo antoka dia tsy foanan'ny fisalasalana, ary azo antoka ny fahadiovana, ary ny fivoahan'ny zavatra dia mampisalasala.

فوائد الحديث

Ity hadith ity dia iray amin'ireo fototry ny finoana silamo sy fitsipiky ny Fikh, dia ny hoe : Ny fahatokisana dia tsy esorina amin'ny fisalasalana, ary ny fototra dia ny hoe: izay efa teo dia mitoetra ho toy ny teo ihany, mandra-pahazoana antoka ny hafa.

Ny fisalasalana dia tsy misy fiantraikany amin'ny fahadiovana, ary ny olona eo am-panaovana soalat dia mijanona amin'ny fahadiovany hatrany raha tsy hoe azony antoka ny fivoahan'ny loto aminy.

التصنيفات

Fitsipiky ny Fikh sy ny fototra, Ireo zavatra manimba ny Ouzou