“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe

“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Mianiana amin'Allah ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona avy amin'ity vahoaka ity, na Jiosy na kristiana na olon-kafa ankoatra azy ireo, nandre sy tonga taminy fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ary maty avy eo nefa tsy nino Azy afa-tsy hoe anisan’ireo vahoakan'ny Afobe hitoetra mandrakizay izy.

فوائد الحديث

Fivelaran'ny hafatry ny Mpaminany (S.AW) ho an'izao tontolo izao, ary voadidy ny amin'ny fanarahana azy ary foana daholo ireo lalàna rehetra teo aloha noho ny lalàna izay noentiny.

Izay tsy mino an'i Mpaminany (S.A.W) dia tsy hitondra soa ho azy ny filazàny ny tenany ho mpino ireo mpaminany hafa, tso-dranon'I Allah anie ho azy rehetra.

Izay tsy nandre ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary tsy tonga taminy ny antson'ny finoana silamo, dia tsisy tsiny ho azy, ary ny momba azy any ankoatra dia miankina amin' Allah.

Tanteraka ny fanarahan'ny olona iray ny finoana silamo na dia tao anatin'ny fotoana fohy alohan'ny hahafatesany no nanaovany izany, na dia ao anatin'ny aretina mafy aza, raha mbola tsy tonga aminy ny miady fainana farany mialohan'ny hialan'ny fofonainy.

Ny filazana fa mety ny finoan'ireo tsy mpino - anisan'izany ny Jiosy sy ny Kristianina - dia mahatonga ho tsy mpino.

Ny filazana ny Jiosy sy ny Kristiana - ao amin'ny hadith - dia fanairana amin'ny hafa ankoatra azy roa; Satria ny Jiosy sy ny Kristianina no manana boky, ka raha izany no momba azy ireo dia ny hafa tsy manana boky no lohalaharana kokoa amin'izany, ka izy rehetra dia takina aminy ny tsy maintsy hiditra ny finoan'i Mpaminany (S.A.W) sy hankato Azy.