Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa

Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa

Tatitra avy tamin'i Màqil bin Yasàr Al-Mozani (R.A) niteny hoe : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa ny olona rehetra izay notendren'i Allah mpitantana sy tompon'andraikitra eo amin'ny vahoaka, tafiditra ao avokoa na mpitantana amin'ny ankapobe toy ny andriana, na mpiambina manokana toy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tranony, nefa manao an-tsirambina ny zon’ireo Olom-peheziny, namitaka azy ireo, tsy manoro hevitra azy ireo, ka nanary ny zo ara-pivavahana sy ara-piainana eto antany, dia mendrika azy ny sazy ity mahery vaika.

فوائد الحديث

Ity fandrahonana ity dia tsy natao manokana ho an'ny mpitantana lehibe sy ny lefiny, fa miantefa amin'ny rehetra izay nomen’i Allah fahefana.

Adidy ho an’izay rehetra voatendry hanao zavatra eo amin’ny raharahan’ny silamo ny manoro hevitra azy ireo, ary miezaka manatanteraka ny andraikitra, ary mitandrina mafy amin’ny famadihana.

Halebeazan’ny andraikin’izay nomena andraikitra na ho amin'ny ankapobeny izany na koa manokana, lehibe na kely.

التصنيفات

Politika ara-dalàna