“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra

“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny fahasoavan'i Tompo Allah lehibe eo amin'ny Mpino sy ny fahamarinany amin'ireo tsy Mpino. Fa ny Mpino kosa dia tsy mihena ny tambin’ny asa soa izay nataony; Fa kosa, homena valisoa amin'izay nataony Izy eto an-tany noho ny fankatoavany, miaraka amin’izany valisoa hotehirizina ho Azy ihany koa any ankoatra. Ny valisoa manontolo dia mety hatokana ho Azy ihany koa any an-koatra. Fa ny tsy Mpino kosa, i Tompo Allah hamaly soa azy amin'ireo valisoa maro eto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any ankoatra, dia tsy hisy valisoa homena azy. Satria ny asa soa izay mahasoa amin'ny tontolo roa dia tsy maintsy asa soa ataon'ny Mpino.

فوائد الحديث

Na iza na iza Maty amin’ny tsy finoana, dia tsy mahavita manasoa Azy velively mihitsy ny asany teto an-tany.