“Rehefa manao ozo ny iray aminareo ka manao ny kirarony, dia aoka hanao soalat miaraka aminy, ary aoka hisafo eo amboniny avy eo tsy esoriny raha tiany afa-tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe

“Rehefa manao ozo ny iray aminareo ka manao ny kirarony, dia aoka hanao soalat miaraka aminy, ary aoka hisafo eo amboniny avy eo tsy esoriny raha tiany afa-tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Rehefa manao ozo ny iray aminareo ka manao ny kirarony, dia aoka hanao soalat miaraka aminy, ary aoka hisafo eo amboniny avy eo tsy esoriny raha tiany afa-tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe".

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Dàrakotni]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa raha manao ny kirarony ny mpino silamo iray rehefa avy nanao ozo, avy eo nandefa rivotra (nangetotra) ary te-hanao ozo, dia manan-jo ny hisafo fotsiny izy raha tiany, avy eo dia manao soalat miaraka aminy fa tsy manala azy mandritra ny fe-potoana voafaritra, raha tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe ka tsy maintsy manala ny kiraro sy mandro.

فوائد الحديث

Tsy azo atao ny misafo ny ba kiraro raha tsy rehefa nahavita ny fanadiovana tanteraka.

Ny fe-potoana fisafona ho an'ny eo an-tanana : fisafohana iray andro sy iray alina, ary ho an'ny mpivahiny : telo andro sy telo

alina.

Ny fisafona ny kiraro dia voatokana ho an'ny fahalotoana kely, fa tsy ny fahalotoana lehibe, dia tsy azo atao ny misafo izany, fa tsy maintsy manala ba kiraro sy manasa tongotra roa.

Tsaratsara ny manao soalat amin'ny kiraro, kapa, na ny toy izany, mifanohitra amin'ny fomban'ireo Jiosy, raha madio izy ireo ary tsy manelingelina ny mpivavaka, na amin'ny moske, toy ny moskea misy fitaovana tapy, dia tsy tokony hatao izany.

Ny fisafona ny ba kiraro dia mitondra fanamaivanana sy fankamorana ho an'ity vahoaka ity.

التصنيفات

Famafana ny ba kiraro sy ny toy izany