Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka

Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe: Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Tena iharan'ny sazy tokoa ny tompon’ireo fasana roa ireo; nefa tsy voasazy izy roa noho ny fahotana lehibe araka ny noeritreretinareo, na dia lehibe aza izany eo anatrehan’Allah. Ny iray tamin’izy roa dia tsy niraharaha amin'ny fiarovana ny vatany sy ny lambany rehefa mipipy eo am-pamoahana ny malotony. Ny iray kosa dia nanely fosafosa teo amin’ny olona, ​​nampita ny tenin’ny hafa tamin’ny fikasana hanisy ratsy sy hiteraka tsy fitovian-kevitra ary fifanolanana eo amin’ny samy olona.

فوائد الحديث

Ny fifosana fandaisan-dresaka sy ny tsy fitandremana amin'ny pipy dia anisan'ny fahotana lehibe sy mahatonga ny fijaliana ao am-pasana.

Allah ilay Tsitoha dia naneho ny sasantsasany amin'ireo zava-miafina - toy ny fanasaziana ao am-pasana - ho fanehoana ny famantarana momba ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W).

Ity fanapahana ny ravin-kazo ho roa ity sy ny fametrahana izany eo amin'ny fasana dia voatokana ho an'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana azy; Satria nampahafantarin’Allah azy ny toe-javatra nahazo ireo olona roa tao am-pasana, ka tsy misy olona hafa azo ampitahaina aminy satria tsy misy mahalala ny toe-javatra mahazo ny olona any am-pasana.

التصنيفات

Ny fiainana fiandrasana, Ny fitondran-tena tsy mendrika, Fahasahiranana ao am-pasana