إعدادات العرض
Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
Tatitra azo tamin'i Aicha (R.A) sy Abdollah bin A'bbàs (R.A) niteny izy roa manao hoe : Rehefa nanakaiky ny fotoana hialan'ny Irak'Allah teto an-tany, dia nanomboka nanipy ny lamba teo amin'ny tavany Izy, ary rehefa nahatsapa semotra noho izany izy dia navoakany indray ny tavany, ary niteny izy raha mbola tamin'ny poziny io ihany hoe : “Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana” fampitandremana ny amin’izay nataon'izy ireo.
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog বাংলা Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Русский Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە ไทย دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली Italiano or ಕನ್ನಡ Oromoo Română Soomaali Српски Wolof Українська Moore Azərbaycan ქართული Magyarالشرح
I Aisha sy Ibn A'bbàs (R.A) manambara atsika fa rehefa nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ny fahafatesana, dia nasiany tapa-damba ny tavany, ary raha toa ka sarotra taminy ny nifoka ny rivotra, noho ny fahakakaizan'ny fahafatesana, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny tavany intsony izany, ary tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany izy no niteny hoe : Allah anie hanozona ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanala azy ireo amin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nanorina moske teo ambonin’ny fasan’ireo mpaminaniny, ary raha tsy ny maha zava-doza an'izany zavatra izany, dia tsy ho tamin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany no niresahany ny momba azy, noho izany dia nandrara ny vahoakany tsy hanao tahaka izany ny Mpaminany (S.A.W). Satria asa fanaon’ny Jiosy sy ny Kristianina izany, ary zava-dratsy mitarika ho amin’ny fampiombonana Allah amin'ny hafa.فوائد الحديث
Fandrarana amin'ny fakana fasan’ny mpaminany sy ny olo-mendrika tsy hatao moske ivavahana eo aminy. Satria izany dia mitondra ho any amin'ny fanompoan-tsampy.
Ny fahalianan'ilay Irak'Allah sy ny fiahiany mafy amin'ny fanokanana an'Allah, ary ny tahotrany amin'ny fanomezam-boninahitra ny fasana; Satria mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy izany.
Azo atao ny manozona ny Jiosy sy ny Kristiana sy ny rehetra izay manao toy ny nataony tamin’ny fanorenana moske eo ambonin'ny fasana.
Ny fanorenana eo ambonin'ny fasana dia iray amin'ireo fomban'ny Jiosy sy ny Kristiana, ary ny hadith dia mandrara ny maka tahaka azy ireo.
Tsy azo atao ny mivavaka eo amin'ny fasana, na dia tsy nisy moske aza eo aminy.