إعدادات العرض
Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona
Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Tiếng Việt ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Kinyarwanda తెలుగు Lietuvių Oromoo Română മലയാളം Nederlands Soomaali Српски Українська Deutsch ಕನ್ನಡ Wolof Moore Shqip ქართული Azərbaycan Magyarالشرح
Nandrara ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitenenan'ny mpino silamo amin'ny teniny hoe : "Raha sitrak'i Allah sy sitrak'i ranona", Na raha sitrak'Allah sy i ranona; Satria ny sitrapon'Allah sy izay tiany dia tsy misy fetrany ary tsy misy miara-miombona aminy amin'izany, Ka ny fampiasana ny matoan-teny mpampitohy etoana dia manambara fa misy hafa mpiara-miombona amin'Allah ary mitovy tantana izy roa. Saingy aoka hiteny izy hoe : Raha sitrak'Allah, avy eo raha sitrak'i ranona, Noho izany dia ataony manaraka ny sitrapon’Allah ny sitrapon’ilay mpanompo amin’ny filazana hoe : “avy eo” fa tsy hoe “sy”, satria ny hoe “avy eo” dia midika ho manaraka sy aorina.فوائد الحديث
Voarara ny fitenenana : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao", sy izay fiteny mitovitovy amin'izany, amin'ny fampiasana matoan-teny mpampitohy; satria izany dia teny sy voambolana shirk.
Azo atao ny miteny : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao", sy izay teny mitovitovy amin'izany; Satria tsy misy fandrarana ny amin'izany.
Fanamafisana fa Allah dia manana ny sitrapony, ary ny mpanompo dia manana ny sitrapony, fa ny sitrapon’ny mpanompo dia tsy maintsy manaraka ny sitrapon’Allah ilay Tsitoha.
Voarara ny fampitambarana ny zava-boahary amin'ny sitrak'Allah na dia amin'ny fomba fiteny fotsiny aza.
Raha mino ny mpiteny fa ny sitrapon'ny mpanompo dia mitovy amin'ny sitrak'Allah, mitovy amin'izany amin'ny fahafenoana sy tsy misy fetrany, na ny mpanompo manana sitrapo mahaleo tena, dia shirk lehibe izany, fa raha mino kosa izy fa ambany noho izany dia Shirk kely.