Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe

Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Mampahafantatra i Mpaminany (saw), fa ny vavaka in-dimy isan'andro sy ny alina izay tsy maintsy atao, ny vavaka zoma isan-kerin'andro, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana ramadany isan-taona, dia famafana ny fahotana madinika izay eo anelanelan'izy ireo , raha toa ka miala ireo fahotana lehibe. Raha ny amin’ny fahotana lehibe toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka, dia tsy voafafa izany raha tsy amin'ny fibebahana.

فوائد الحديث

Ny fahotana dia misy ny kely ary misy ny lehibe.

Ny sorom_panavotana ho an’ny fahotana madinika dia miankina amin’ny fialana ireo fahotana lehibe.

Ny fahotana lehibe dia ny fahotana izay misy sazy mihatra eto an-tany, na misy sazy mahery vaika any ankoatra; amin’ny fampijaliana, na amin’ny fahatezerana, na amin’ny fandrahonana, na amin’ny fanozonana ny mpanao ratsy, toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka.