إعدادات العرض
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Kiswahili தமிழ் دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული Lingala тоҷикӣ Македонски bmالشرح
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny antony lehibe indrindra hidirana ny Paradisa dia antony roa izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanànana fitondran-tena Tsara sy Mendrika. Koa ny Fahatahorana an’i Tompo Allah : dia ny fametrahana fiarovana eo Aminao sy famaizan’i Tompo Allah, ary izany dia ny fanatanterahana ny Didiny sy ny fialana amin’ny Fandrarany. Fitondran-tena Mendrika dia : Atao amin’ny fitsikina eo amin’ny Tarehy sy ny fanaovana Asa soa ary ny fitsaharana amin’ ny Ratsy. Ny antony lehibe indrindra hidirana amin'ny Afobe dia antony Roa : Ny Lela sy ny Taovam-pananahana. Anisan’ny Ota sy Fahotana ny Lela : Mandainga, Mifosafosa, Fitondrana resaka mampiady, sy ny hafa. Anisan'ny Ota sy Fahotana ny Taovam-pananahana dia : Ny Fijangajangana, ny Sodomia, sy ny hafa.فوائد الحديث
Ny fidirana ao amin’ny Paradisa dia manana antony mifandray amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ao anatin’izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allahsy ny antony mifandray amin’ny Olona, anisan’izany : Ny toetra Tsara.
Mampidi-doza ho an’ny tompony ny Lela, ary anisan’ny antony hidirany amin’ny Afobe izany.
Ny loza ateraky ny fanirian-dratsy sy ny fijangajangana amin'ny Olombelona, ary izany no anisan'ny antony lehibe indrindra amin'ny fidiran'ny Afobe.